BOMBS ?

Inona ny BOMBS?

Fifaninanana hanasongadinana ireo bilaogy tsara indrindra miresaka ny Malagasy, tia ny Malagasy, naman’ny Malagasy ary amin’ny sokajy vitsivitsy voafaritra mialoha. Ny masontsivana anekena ny firotsahana dia tena misokatra ho amin’ireo mpitoraka bilaogy avy amin’ny lafivalo rehetra sy amin’ny fiteny rehetra, rehefa lohahevitra ifantohana betsaka ao ny mifandray amin’i Madagasikara.

Andiany fahatelo ity karakarainay ity, taorian’ilay tamin’ny taona 2007 sy 2009, izay nahafahana nisavasava ravina sy nangady ny maha zava-dehibe ny Mediam-bahoaka ho an’ny firenena iray toa an’i Madagasikara. Hita fa manankarena ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-kolontsaina, harena izay mety hipariaka sy hozaraaraina be amin’ny alàlan’ny bilaogy, ireo gazety an-tserasera soratan’ny olona mankamamy ilay nosy. Asehon’ireo mpandresy tamin’ny 2007 sy 2009 fa tena mora tokoa ny miditra amin’ny adihevitra sy fifanakalozana erantany ety amin’ny aterineto ka manao izay handrenesana ny feo Malagasy ho ren’izao tontolo izao.

Inona no tanjon’ny fandraisana anjara amin’ny BOMBS?

Kendren’ity andiany ity ny hitondra hazavana momba ny kolokolon’ny tontolon’ny blaogy malagasy sy ny fandraisany anjara amin’ny fampanananan-karena ara-kolontsaina sy sosialy. Misy an’arivony ireo mpamaham-bolongana mipetraka ao Madagasikara sy manerana izao tontolo izao no mifampiresaka isanandro sy mifanakalo hevitra momba ireo sehatra mahalaza betsaka momba ny vaovao misy eo amin’ny faritra raha miohatra amin’ireo haino aman-jery nentim-paharazana. Ohatra ny bilaogy soratan’ny tanora iray mpianatra ao Toamasina, itantarany ny fiainany andavanandro amin’ny fomba tsy miolankolaka, ary amin’ny fanaingoana ny asany amin’ny alàlan’ny lahatsary sy podcasts (rakipeo), dia varavarankely iray ho an’ny tanora ao amin’ny firenena, izay na eo aza ny olana raikitampisaka dia miezaka amin’ny famenoana ny banga isambolana sy manaporofo ao anatin’ny fitsipi-pitondrantenany fa mbola toetra sy soatoavina hajaina sy ankatoavin’io andian-taranaka io ny fahaizana mandray vahiny, ny asa ary ny fahalalahan-tànana.

https://bestofmalagasyblogs.wordpress.com

MERCI Maminirina Radifera Ranaivoson

 

 

Que sont les BOMBS?

Il s’agit du Concours couronnant les meilleurs blogs malgachophiles dans des catégories pré-définies. Les critères d’admission sont très ouverts pour les bloggers de tous horizons et dans toutes les langues tant que les thèmes dominants soient reliés à Madagascar.
Nous en sommes à notre troisième édition, après les éditions de 2007 et de 2009 qui a permis d’ouvrir la brèche sur l’importance du Média Citoyen pour un pays tel que Madagascar. En l’occurence qui possède une richesse sociale, économique et culturelle qui gagnerait à être démocratisée et partagée à plus grande échelle par le biais de blogs, ces journaux en ligne rédigés par des passionnés de l’île. Les gagnants de l’édition 2007 et 2009 ont prouvé qu’il était très facile de rejoindre la Conversation Globale sur internet et de faire entendre les voix malgaches dans le monde entier.

Quel est l’intérêt de prendre part au BOMBS?

Cette édition a pour objectif de mettre la lumière sur le vivier qu’est la blogosphère malgache et ses apports quant à l’enrichissement culturel et social. Il existe des milliers de bloggers résidents à Madagascar et à travers le monde qui dialoguent chaque jour et s’échangent dans domaines qui en disent plus sur l’actualité que la plupart des Médias traditionnels. Par exemple le blog d’un jeune étudiant de Tamatave décrivant ses activités quotidiennes de façon spontanée en les illustrant par des vidéos et des podcasts est une fenêtre ouverte sur cette jeunesse du pays qui malgré les crises récurrentes tente de joindre les deux bouts et dans leur générosité prouve que le sens de l’éthique, l’hospitalité, le travail et la générosité sont encore des valeurs respectées par cette génération.

Advertisements